👉 Lors d’une visite à la campagne avec mon équipe, nous avons rencontré les villageois pour échanger autour des enjeux du développement rural. Ensemble, nous avons discuté des pratiques agricoles et de l’élevage, en mettant l’accent sur les techniques durables et adaptées au contexte local. Dans les champs, les échanges ont été riches et participatifs, mêlant observation du sol, partages d’expériences et transmission de savoirs. Cette rencontre a renforcé notre conviction que le développement passe avant tout par l’écoute et la valorisation des savoir-faire paysans.
👉 Nandritra ny dia tany ambanivohitra niaraka tamin’ny ekipanay, dia nihaona tamin’ireo mponina eny an-toerana izahay mba hifanakalo hevitra momba ny fampandrosoana eny ifotony. Niara-niresaka momba ny fambolena sy ny fiompiana izahay, indrindra fa ny teknika maharitra sy mifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana. Teny an-tanimboly no nanaovana ny fifanakalozana, ka feno traikefa sy fahalalana nozaraina tamin’ny alalan’ny fijerena ny tany sy ny fomba fanao. Nampahery anay ity fihaonana ity fa ny fampandrosoana dia manomboka amin’ny fihainoana sy fanomezan-danja ny fahalalan’ny tantsaha.